TONGA MPIHAVANA
Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy
Nifamaly i Rainibango sy Rabetokontany satria sarotra ny fitantanana ny rano hanondrahana voly sy tanimbary, tao amin'ny tanànan'Antsampanana. Nifampikasin-tanana izy roalahy ary naratra vokatr'izany i Rabetokontany, nitaraina tamin'i Ramatoa Ravero vadiny izy. I Rabetokontany no filoha mpitantana ny rano fanondrahana ny tanimbary, sady nifamaly matetika amin'ny mpikambana izy no nanodikodina ny volan'ny fikambanana. Nifampitory teny anivon'ny Biraom-pokontany i Rainibango sy Rabe.
Tonga teo anatrehan'ny Ramatoa Ranety filohan'ny Fokontany izy roa lahy ; nirosoana ny fandinihana ny raharaha, samy nohenoina ny fiarovan-tena nolazain'izy roa lahy ; mbola nitohy ny fifamaliana. Nifamaly ihany koa anefa i Rabe sy Ravero manoloana ny fanodikodinam-bola an'ny tambazotra fitantanana rano. Niezaka nandamina ny olana nisy teo amin'ny tanànan'Antsampanana Ramatoa Filohan'ny Fokontany na mitohy hatrany aza ny fifandrafiana. Vokatry ny fahadisoana natao'i Rabe, izay nandoro ny fiangonana ary nahafaty an'i Tafita zanak'i Rainibango no fototry ny olana teo an-tanàna...
Mpanoratra : Ventson'ny Voahary
Mpilalao : Rakoto, Synèse, Bruno, Anjahariliva, Holy
Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
Mpanatontosa : Holisoa
#tantara
#tongampihavana
#sarymihetsika
Ещё видео!