Ny tsara ho fantatra mikasika ny mpaminany Amosa. Nohon’ny fahalovana izay nanjaka tao amin’ny Israely dia tezitra tamin’ny Israely Andriamanitra ka nandefasan’Andriamanitra loza maro hanerena azy ireo hibebaka. Tahaka izany koa, ho amin'ny fibebahana no itaizana sy amaizan’Andriamanitra antsika Kristiana ankehitriny. Fiomanana ho amin’ny Fitsarana no ambaran’ny mpaminany Amosa eto ka tokony hiomanantsika koa. Tsy moramora ny mihaona amin’Andriamanitra, mila fiomanana tsara izany. Ny marina dia ho voavonjy, fa ny meloka dia ho very mandrakizay, koa mibebaha. Fibebahana no fiomanana tsara indrindra atoron’i Jesosy raha ho any an-danitra. Ny olona mibebaka dia manana ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainany.
Ещё видео!