🔥Abonnez-vous à notre chaine Youtube pour plus de lyrics
🔥Subscribe Now
TONONKIRA
Avelao aho mba hanambara
Feno be ny fo ka tsy tana
Angamba mbola tsy tara
Ny zavakanto Malagasy fahiny
Nampitolagaga vahiny
Tsy tazana intsony ankehitriny
Mozika kômersialy
Tsofin'ny rivotra avy any an-dafy any
Malaza be androany, rahampitso dia lany
Tsy sanatria aho manakiana
Fa kabary mandeha ka tsy maintsy valiana
Ka ataoko hira.
Mila vonjy ny kanto gasy
Fa ho voazanaka ny kolontsaintsika atsy ho atsy
Tongava saina re,ny fotoana anie ka mandeha e!
Aza avela hihafy ny kanto Malagasy
Miala tsiny aho ry tanora namako
Betsaka ny mbola tsy takatro,
Gitara ihany no am-pelatanako
Fa misy kolontsaina hafa
Mitondra ditra sy fakam-panahy
Vetaveta mamoafady zalahy
Miala tsiny aho razoky "DJ"
"Fl studio" ekeko mampandihy
Fa hafa ihany hoa ilay feom-baliha
Hafa ihany koa ikala Berthine
Manao zafindraony eny an-tsaha tsy maninona
Fa tsy misy "auto-tune"
Mila vonjy ny kanto gasy
Fa ho voazanaka ny kolontsaintsika atsy ho atsy
Tongava saina re,ny fotoana anie ka mandeha e!
Aza avela hihafy ny kanto Malagasy
Mamina - mila vonjy ny kanto gasy LYRICS
Теги
madagascarvazaha miteny gasymalagasymila vonjymila vonjy ny kanto gasy lyricsmadagascar alex the lionmadagascar 2madagascar 1maminakoudetathirakolontsaina malagasyfirenena malagasymozika tsotra izaomozika 2020mozika 2021fanjanahatanyfanjanahantany teto madagasikaravahinytolonaantananarivoantananarivo madagascarrelaxante musicgitaraguitar covergilita bevazo mitenytanorafitaizanaho avy